ny harivako hazava
ny harivako hazava
Ambentin-dresaky ny Blaogasyfera anio ny nahalasanan’i Rado. Izy dia anisan’ny sangany amin’ny poeta malagasy. Voaresaka ombieny ombieny ireo tononkalo fantatry ny maro : “Ho any ianao kanefa...” hitanao eto sy ny “Mahazo maty” teto sy teto ary ny “Tsy maintsy mipoaka ny tako-bilany” aty.
Raha misy angamba kanto noforoniny ka hiampita amin’ny zanaka amam-para, dia ireo hiram-pivavahana voatana ao amin’ny Fihirana prôtestanta. Ao ilay “Ho vavolombelonao (n’aiza n’aiza no aleha)”. (Eto aloha mety mandiso ahy ny fitadidiako fa aza tsiny ‘rey olona !). Dia ao indrindra ny “N’inona n’inona hitranga Jeso” tsy zoviana amintsika intsony. Singaniko manokana ilay andininy farany nangalako ny lohateny teto “Ny hasasarako hisava Jeso/ Ny harivako hazava Jeso”. Tsy azo adinoina ihany koa ary vao nampidirina tao amin’ny fihirana fanampiny, ilay hoe “Aza avela hahalala / ny antony nanaovanao / ny hariva mamanala / sy ireo maraina vao”.
Farany sady tsy zandriny, nisy tononkalo hiraina hafa nataony izay nivoaka ny fiangonana. “Maty ilay mpivaro-tena” no tena tonga ato an-tsaiko, nohirain’i Bessa ary indramako ny teny farany androany : “Omeo azy re ny lanitra / Fa ampy izay ny afobeny”.
mercredi 17 septembre 2008